Zébus et vaches laitières
Cette formation initie les stagiaires à l’élevage bovin adapté au contexte local, en particulier des zébus et des vaches laitières.
Les participants apprennent les bases de l’alimentation, de l’hygiène, de la prévention sanitaire, de la gestion du fumier, ainsi que les principes de la reproduction et de la traite.
Une attention particulière est portée à l’importance du fourrage dans l’alimentation des bovins, à la production de fourrages adaptés au contexte local et à leur valorisation, y compris pour la vente.
La formation met également en évidence le lien étroit entre élevage, fertilité des sols et autonomie agricole.
FIOMPIANA OMBY
Omby gasy sy omby vavy be ronono
Ity fampiofanana ity dia mampahafantatra ny mpanao fanazaran’asa ny fomba fiompiana omby, omby gasy sy omby vavy be ronono, mifanaraka amin’ny toe-java-misy eo an-toerana.
Ny mpandray anjara dia ampianarina ireo fahalalana fototra momba ny sakafon’omby, ny fahadiovana, ny fisorohana ny aretina, ny fikarakarana ny zezi-pahitra, ary ny fitsipiky ny fampitomboana taranaka sy ny fiterena.
Omena lanja manokana ny maha-zava-dehibe ny vilona amin'ny sakafon'ny omby, ny famokarana vilona mifanaraka amin'ny faritra misy azy ireo, ary ny fomba fampitomboana ny lanjany, ao anatin’izany koa ny famarotana ny vokatra.
Asongadin'ity fampiofanana ity ihany koa ny fifandraisana akaiky eo amin'ny fiompiana, ny fahavokaran'ny tany, ary ny fahaleovantena ara-pambolena.
Ce secteur forme à l’élevage familial de poules locales et de lapins, avec des techniques simples, reproductibles et peu coûteuses.
La formation aborde l’alimentation, la reproduction, la prévention des maladies et l’organisation des petits élevages pour l’autoconsommation et la vente locale des œufs et de la viande.
L’objectif est d’assurer une source régulière de protéines et de revenus complémentaires.
FIOMPIANA AKOHO AMAN-BORONA SY BITRO
Ity sampam-piofanana ity dia mampianatra momba ny fiompiana akoho amam-borona sy bitro eo anivon’ny ankohonana, amin’ny alalan’ny teknika tsotra, mora averina ary tsy lafo vidy.
Ny fiofanana dia mahakasika indrindra ny sakafon’ny biby fiompy, ny fampitomboana taranaka, ny fisorohana ny aretina ary ny fitantanana fiompiana madinika mitodika amin’ny fanjifana anatiny sy ny fivarotana ny atody ary ny hena eo an-toerana.
Ny tanjona amin’izany dia ny hiantohana ny fahazoana loharanom-proteina tsy tapaka ho an’ny ankohonana sy fidiram-bola fanampiny.
La formation en apiculture couvre l’ensemble du cycle de production du miel : fabrication des ruches, installation des colonies, entretien et récolte.
Ce secteur, très porteur dans la région, permet un démarrage rapide d’une activité génératrice de revenus tout en favorisant la biodiversité et la pollinisation des cultures.
Les stagiaires sont accompagnés jusqu’à la mise en place de leur propre cheptel apicole.
FIOMPIANA TANTELYÂ
Ny fiofanana momba ny fiompiana tantely dia mifototra amin’ny tsingerin’ny famokarana tantely manontolo: ny fanamboarana ny trano tantely (tohaka), ny fametrahana ny tantely, ny fikarakarana ary ny fanangonana ny vokatra.
Ity sehatra ity, izay tena miroborobo tokoa aty amin’ny faritra atsimo-antsinanana, dia ahafahana manomboka asa mahavelona anaty fotoana fohy sady manampy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampielezana ny vovobony ho an’ny fambolena.
Ireo mpanao fanazaran’asa dia mahazo tan-tsoroka mandra-panorin’izy ireo ny fiompiana tantely azy manokana.
Ce secteur est consacré à la production de légumes adaptés au climat tropical humide.
Les participants apprennent à préparer le sol, à utiliser le compost, à gérer l’eau, à associer les cultures et à produire sans produits chimiques.
La formation vise l’autosuffisance alimentaire des familles et la valorisation des excédents sur les marchés locaux.
FAMBOLENA LEGIOMAÂ
Ity sampana ity dia natokana ho an’ny famokarana legioma amin’ny toe-tany mafana sy be orana.
Ny mpandray anjara dia ampiofanina momba ny fikarakarana ny tany, ny fampiasana ny zezika kômpôsta, ny fitantanana ny rano, ny fampivadiam-boly, ary ny famokarana tsy mampiasa vokatra simika.
Ny fiofanana dia mikendry indrindra ny fahaleovantena ara-tsakafo ho an’ny ankohonana sy ny fivarotana ny ambim-bava eny tsena.
La formation porte sur la culture des principales épices locales : poivre, poivre rose, cannelle, girofle, vanille et cacao.
Les stagiaires découvrent les techniques de plantation, d’entretien, de récolte et de valorisation de ces cultures à forte valeur ajoutée.
Ce secteur offre des perspectives économiques durables à moyen et long terme.
FAMBOLENA ZAVA-MANITRA SY VOLY FANONDRANA
Ity fiofanna ity dia mifantoka amin’ny fambolena ireo karaza-java-manitra misy eto an-toerana toy ny dipoavatra, ny dipoavatra mavokely, ny kanely, ny jirofo, ny lavanila ary ny kakao.
Ireo mpanao fanazaran’asa dia mianatra ny teknika fambolena, fikarakarana, fanangonam-bokatra ary fanodinana ireo voly manana sanda ambony ireo.
Ity sehatra ity dia manokatra lalana ara-toekarena maharitra ao anatin’ny antonony sy ny lavitr’ezaka.
Ce secteur forme à la production et à la multiplication d’arbres fruitiers tropicaux (manguiers, goyaviers, bananiers, avocatiers, jacquiers, etc...).
Les participants apprennent la gestion d’une pépinière, les techniques de greffage et l’intégration des arbres dans des systèmes agroforestiers.
L’objectif est de favoriser une agriculture pérenne et résiliente.
HAZO FIHINAM-BOA, ZANA-KAZO SY FAMOKARANA AMINY ALALAN’NY GREFFAGE
Ity sampam-pianarana ity dia manofana momba ny famokarana sy ny fampitomboana ireo hazo fihinam-boa hita amin’ny faritra mafana (manga, goavy, akondro, zavoka, apaly, sns...).
Ny mpandray anjara dia mianatra ny fandrindrana ny tanin-jana-kazo, ny teknika fanaovana greffage, ary ny fampidirana ireo hazo ireo ao anatin’ny rafitra fambolena ombam-pitrandrahana hazo (agroforesterie).
Ny tanjona dia ny hampiroborobo ny fambolena maharitra sy manana sandan-tohitra manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny toe-karena.
(formation destinée aux femmes)
Cette formation aborde la connaissance des aliments locaux, la nutrition, la cuisine, la conservation et l’hygiène alimentaire.
Elle vise à améliorer la santé des familles, à réduire les pertes post-récolte et à développer de petites activités de transformation (confitures, séchage, conserves, farine, fécule).
Ce secteur valorise le rôle central des femmes dans la sécurité alimentaire.
FANABEAZANA ARA-TSAKAFO, FANODINANA SY FAHADIOVANA
(Fiofanana natokana ho an’ny vehivavy)
Ity fiofanana ity dia mampita ireo fahalalana fototra momba ny sakafo vokarina eto an-toerana, ny fanjarian-tsakafo, ny fomba fandrahoana sy fitehirizana ary fanadiovana ny sakafo.
Izany dia mikendry ny hanatsarana ny fahasalaman’ny ankohonana, ny hampihenana ny fatiantoka aorian’ny fijinjana, ary ny hampiroboroboana ireo asa madinika momba ny fikarakarana sy ny fanodinam-bokatra (toy ny fanaovana konfitiora, ny fanamainana, ny fanaovana voakôsy, ny lafarinina ary ny koba).
Ity sampana ity dia manome lanja manokana ny anjara toerana lehibe sahanin’ny vehivavy eo amin’ny fahaleovantena ara-tsakafo.
(Module court supplémentaire, destiné aux hommes)Â
Ce module initie à la fabrication de compost et de lombricompost à partir de ressources locales.
Les participants apprennent à recycler les déchets organiques, à améliorer la fertilité des sols et à réduire la dépendance aux intrants externes.
Cette formation soutient l’ensemble des autres secteurs agricoles.
FAMOKARANA KÔMPÔSTA SY LOMBRICOMPOST
(Fampianarana fohy fanampiny, natokana ho an’ny lehilahy)
Ity taranja ity dia mampahafantatra ny fomba fanamboarana kômpôsta amin’ny teknika mahazatra sy amin’ny alalan’ny fampiasana kankana (lombricompostage), miainga amin’ny akora hita eto an-toerana.
Ny mpandray anjara dia mianatra ny fomba fanodinana ny fako organika, ny fanatsarana ny fahavokaran’ny tany, ary ny fampihenana ny fiankinan-doha amin’ireo akora avy any ivelany.
Ity fiofanana ity dia manohana sy mameno ireo sehatry ny fambolena hafa.
(Module court en complément pour les couples en formation)Â
Ce cours aide les participants à mieux gérer leurs ressources financières.
Il aborde la planification, l’épargne, la gestion des dépenses et la préparation d’un projet de vie ou d’activité économique.
L’objectif est de renforcer l’autonomie, la stabilité familiale et la capacité d’investissement.
FANABEAZANA MIKASIKA NY FITANTANANA ARA-BOLA HO AN’NY MPIAMBOLY TANORA
(Fampianarana fohy fanampiny, natokana ho an’ny mpivady miara-mianatra)
Ity taranja ity dia mampianatra ny mpandray anjara ny fomba fitantanana tsara kokoa ny loharanom-bola eo am-pelatanany.
Resahina ao anatin’izany ny resaka fandrindrana ara-bola, ny tahiry, ny fandrindrana ny fandaniana, ary ny famoronana tetikasa momba ny fiainana ankapobeny na ny asa fivelomana.
Ny tanjona amin’izany dia ny hanamafisana ny fahaleovantena, ny firindran’ny fiainam-pianakaviana, ary ny fahaiza-manao mikasika fampiasam-bola.